Jeremiah 51:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; NY TOMPO efa nanaitra ny fanahin’ny mpanjakan’ny Mediana; fa ny hamely an’i Babilona no nosaininy mba handringanana azy; famalian’NY TOMPO izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ranito ny zana-tsipìka; misaròna ny ampinganareo! Efa nanetsika ny fanahin’ny mpanjakan’i Media i Iaveh; fa ny fiheviny an’i Babela dia ny handrava azy. Fa izany no valim-bonoana hataon’i Iaveh dia ny hamaliany noho ny amin’ny Tempoliny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nikasa handrava an’i Babilôna ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan’i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan’ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin’ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipîkanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipîka.
Malagasy Bible 1865
Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin'ny mpanjakan'ny Mediana; Fa ny hamely an'i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian'i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; NY TOMPO efa nanaitra ny fanahin’ny mpanjakan’ny Mediana; fa ny hamely an’i Babilona no nosaininy mba handringanana azy; famalian’NY TOMPO izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.
malagasy