Jeremiah 51:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao nianiana tamin’ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa nianiana tamin’ny Tenany i Iavehn’ny tafika, nanao hoe: Hofenoiko olona hoatra ny valala ianao! ary hanao hobim-pandresena eo aminao ireny. b
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPOn’izao rehetra izao dia nianiana tamin’ny tenany hoe: «Handefa olona hibosesika ao aminao Aho, ka ho maro toy ny valala ireny, ary hanao akoran’ady hamelezana anao.»
Malagasy Bible 1865
Jehovah, Tompon'ny maro, nianiana tamin'ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao nianiana tamin’ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao.
malagasy
Jehovah, Tompon'ny maro, nianiana tamin'ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao, [Na: na dia hofenoiko olona maro toy ny valala aza ianao, dia ireny no]