Jeremiah 51:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy dia mampiakatra rahona avy tany amin’ny faran’ny tany; manao ny tselatra ho an’ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny trano fitahirizany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny feony, dia miangona ny rano eny an-danitra; mampiakatra ny rahona avy amin’ny faran’ny tany Izy, mampamirapiratra hela-baratra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra, ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fanangonany azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy eny am-paravodilanitra, ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany.
Malagasy Bible 1865
Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho an'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho an'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.