Jeremiah 51:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; menatra ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin’ny sarin-javatra voasokitra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika satria tsy misy fofonaina ao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ketrina, tsy manan-tsaina avokoa ny olombelona; menatra noho ny amin’ny sampiny avokoa ny mpanefy ireny, satria fitaka foana ny sampiny fa tsy misy fofon’aina akory amin’izy ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy mahatakatra ny hevitr’izany. Ireo mpandasitra sarivongan-tsampy dia menatra avokoa tamin’ny nataony; satria fitaka ireo sarivongana ireo fa tsy manam-pofonaina akory.
Malagasy Bible 1865
Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin'ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, satria tsy misy aina ao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; menatra ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin’ny sarin-javatra voasokitra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika satria tsy misy fofonaina ao aminy.
malagasy