Jeremiah 51:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manangàna faneva eny amin’ny tany; mitsofa anjomara any amin’ny firenena; manendre firenena hamely azy; antsoy ny fanjakan’i Ararata sy i Miny ary i Askenaza hamely azy; asio mpitari-tafika hamely azy; mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manangàna saina, amin’ny tany; mitsofa anjomara, amin’ny firenena; manokàna firenena hamely azy; miantsoa hamely azy ny fanjakan’i Ararata sy Meni ary Askeneza. Manendre ny filohan’ny tafika hamely azy; mandefasa ny soavaly toy ny valala mitsangam-bolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Atsangano ny fanevam-panairana eo amin’ny tany, tsofy any amin’ny firenen-kafa ny anjomara; entano ny firenena rehetra hamely an’i Babilôna, antsoy hamely azy ny fanjakana any Ararata sy Menỳ ary Askenaza. Manendre mpifehy hamory miaramila; soavaly marobe no alefaso hanafika toy ny valala manao andiany.
Malagasy Bible 1865
Manangana faneva eny amin'ny tany; Mitsofa anjomara any amin'ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan'i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manangàna faneva eny amin’ny tany; mitsofa anjomara any amin’ny firenena; manendre firenena hamely azy; antsoy ny fanjakan’i Ararata sy i Miny ary i Askenaza hamely azy; asio mpitari-tafika hamely azy; mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.
malagasy
Manangana faneva eny amin'ny tany; Mitsofa anjomara any amin'ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan'i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina. [Heb. Manamasina][Na: mahatsiravina]