Jeremiah 51:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa lanin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, izahay; naringany izahay; napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; nateliny toy ny fitelin’ny mamba izahay; nivokisan’ny kibony ny zavatra tena tianay ka nandroaka anay izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandany ahy, nandevona ahy, i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela; nampitsatoka ahy teo, toy ny vazy foana, nitelina ahy, toy ny dragona; nameno ny kibony, tamin’ny nahandroko tsara indrindra, dia nandroaka ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Nandripaka sy nitsentsitra ahy i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna; dia napetrany toy ny vilia nolelafina aho. Tahaka ny fitelin’ny mamba no nitelemany ahy, ka ny tsokako no namenoany ny kibony; izay aho vao naloany.
Malagasy Bible 1865
Efa lanin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin'ny mamba izahay; Nivokisan'ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa lanin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, izahay; naringany izahay; napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; nateliny toy ny fitelin’ny mamba izahay; nivokisan’ny kibony ny zavatra tena tianay ka nandroaka anay izy.
malagasy