Jeremiah 51:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hisolo vava anao amin’ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao ary horitiko ny ranomasiny, ary hataoko tankina ny loharanony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’i Iaveh: Indro fa izaho mandray ny adinao, hiandraikitra azy, ary manatanteraka ny valim-bonoana ho anao: Ka horitiko ny ranomasiny, hataoko tankina ny loharanony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao àry no lazain’ny TOMPO amin’i Jerosalema: «Horaisiko an-tanana ny momba anao ka Izaho no hamalifaty anao: hataoko maina ny oniny ary horitiko ny loharanony.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin'ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hisolo vava anao amin’ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao ary horitiko ny ranomasiny, ary hataoko tankina ny loharanony.
malagasy
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin'ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.