Jeremiah 51:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola liana izy dia hanaovako fanasana ho azy ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin’ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dieny mirehidrehitra iny izy, dia hampidinako fisotro, ka hataoko mamo, mba hanaranany fo amin’ny fifaliana: dia ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay, sy tsy hahatsiaro intsony; - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola eo am-pilendalendana izy, dia efa manomana fanasana ho azy Aho: Homamoiko izy mba hiravoravo dia hatory mandrakizay, ka tsy hifoha intsony. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola liana izy dia hanaovako fanasana ho azy ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin’ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy NY TOMPO.
malagasy
Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.