Jeremiah 51:41 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Endre! Azo i Sesaka! Ary azo ilay fideran’ny tany rehetra, endre! Tonga figagana any amin’ny firenena i Babilona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manao ahoana no nahafahana an’i Sesàka, sy nahazoana an’ilay fireharehan’ny tany rehetra? Nanao ahoana no nahatongavany ho zavatra fampitahorana, i Babela, eo amin’ny firenena?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andray! Nalaza eran-tany ny tanànan’i Sesàka nefa azo sy voatazona izy izao! Andray! Tonga toerana mahonena i Babilôna eo anivon’ny firenena maro!
Malagasy Bible 1865
Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran'ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin'ny firenena Babylona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Endre! Azo i Sesaka! Ary azo ilay fideran’ny tany rehetra, endre! Tonga figagana any amin’ny firenena i Babilona.
malagasy
Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran'ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin'ny firenena Babylona.[Sesaka = Babela]