Jeremiah 51:46 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary andrao ho ketraka ny fonareo ka hatahotra ianareo noho ny tsaho miely amin’ny tany; fa amin’ny taona iray dia misy tsaho, ary amin’ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa; zava-doza fa mpanjakazaka no mamely mpanjakazaka hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza reraka foana ny fonareo, aza matahotra, noho ny tsaho izay ho re honohono amin’ny tany! Fa hisy tsaho hitranga amin’ny taona iray, ary hisy tsaho hafa kosa, amin’ny taona manaraka izay; dia hisy fifamelezana mafy amin’ny tany, mpanapaka manao jadona mifanohitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Tandremo tsy ho kivy na hatahotra ianareo noho ny tsaho izay taterina ao amin’ny tany. Fa hifandimby ny tsaho samihafa arakaraky ny taona: herisetra ao amin’ny tany, fanonganan’ny mpanao didy jadona an’izay talohany...
Malagasy Bible 1865
Ary fandrao ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin'ny tany; Fa amin'ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin'ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa sy loza amin'ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary andrao ho ketraka ny fonareo ka hatahotra ianareo noho ny tsaho miely amin’ny tany; fa amin’ny taona iray dia misy tsaho, ary amin’ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa; zava-doza fa mpanjakazaka no mamely mpanjakazaka hafa.
malagasy