Jeremiah 51:50 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianareo izay tsy voan’ny sabatra dia mialà fa aza mijanona; tsarovy NY TOMPO raha mbola lavitra ianareo, ary aoka ho an-tsainareo i Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo nieren’ny sabatra, miaingà, fa aza mijanona! Mahatsiarova an’i Iaveh any an-tany lavitra, ary aoka ho velona ao am-ponareo ny fiheverana an’i Jerosalema!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ianareo izay afaka tamin’ny ady, mandehana fa aza mijanona eo. Avy any lavitra any no tsarovy ny TOMPO ary ataovy ao an-tsainareo i Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Hianareo izay tsy voan'ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianareo izay tsy voan’ny sabatra dia mialà fa aza mijanona; tsarovy NY TOMPO raha mbola lavitra ianareo, ary aoka ho an-tsainareo i Jerosalema.
malagasy
Hianareo izay tsy voan'ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.