Jeremiah 51:53 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia miakatra any an-danitra aza i Babilona, ary na dia ataony mafy aza ny manda mafy sady avo izay heriny dia avy Amiko no hiavian’ny mpandringana azy, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na hisondrotra hatrany an-danitra aza i Babela, na hataony tsy azo anihina aza ny tranony mimanda avo, dia ho tongan’ny mpandrava ihany izy, noho ny didiko, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia hisondrotra any an-danitra aza i Babilôna ka hanao ny fiarovany ho avo tsy azo anihina, dia ny baikoko no hahatraran’ny mpandrava azy hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian'ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia miakatra any an-danitra aza i Babilona, ary na dia ataony mafy aza ny manda mafy sady avo izay heriny dia avy Amiko no hiavian’ny mpandringana azy, hoy NY TOMPO.
malagasy
Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian'ny mpandringana azy, hoy Jehovah;