Jeremiah 51:55 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa NY TOMPO mandrava an’i Babilona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny ranobe ny onjany, eny, re tokoa ny feon’ny firohondrohony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa mandrava an’i Babela i Iaveh, ka ataony mitsahatra ny tabatabany maresaka; mirohondrohona hoatra ny ranobe ny onjan’izy ireo, dia mandefa ny feon’ny firohondrohony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny TOMPO no mandrava an’i Babilôna, sy mampangina ny horakorany. Mamelona akoran’ady ny fahavalo ka toy ny feon’onjan-dranomasina ao anaty kotro-baratra izany.
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah no mandrava an'i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon'ny firohondrohony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa NY TOMPO mandrava an’i Babilona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny ranobe ny onjany, eny, re tokoa ny feon’ny firohondrohony.
malagasy
Fa Jehovah no mandrava an'i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon'ny firohondrohony.