Jeremiah 51:56 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tonga ao aminy, dia ao Babilona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; tapatapaka avokoa ny tsipìkany satria NY TOMPO dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria tonga namely azy ny mpandrava, - namely an’i Babela; - voasambotra ny mpiady maheriny; tapatapaka ny tsipìkany; fa Andriamanitry ny famaliana i Iaveh, dia hamaly marina tokoa izy!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga hanafika an’i Babilôna ny mpandrava, ka hanao sambo-belona ireo maherifony, sy hanapotika ny tsipîkany. Fa ny TOMPO dia Andriamanitra mamaly ny natao ka mampihatra tokoa ny valifatiny.
Malagasy Bible 1865
Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tonga ao aminy, dia ao Babilona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; tapatapaka avokoa ny tsipìkany satria NY TOMPO dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.
malagasy
Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.