Jeremiah 51:57 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny mpiady maheriny; ary hatory amin’ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, izay antsoina hoe: Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataoko mamo ny mpanapaka aman’olo-kendriny, ny governora ama-mpitsarany, ary ny mpiandry maheriny, ka ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay ireo, dia tsy hifoha intsony, - teny marin’ny Mpanjaka, - izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Homamoiko ireo mpitondra azy sy ny olon-kendriny, ireo governorany sy ny lefiny ary ireo maherifony. Hatory mandrakizay ireny ka tsy hifoha intsony, hoy ny teny hentitr’ilay Mpanjaka, izay antsoina hoe TOMPOn’izao rehetra izao.»
Malagasy Bible 1865
Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny mpiady maheriny; ary hatory amin’ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, izay antsoina hoe: Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy