Jeremiah 51:58 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Ny manda matevina any Babilona dia horavana tanteraka hatramin’ny fanorenany ary hodorana amin’ny afo ny vavahadiny avo. Koa ho foana ny nisasaran’ny firenena ary ho nisasatra ho an’ny afo ny olona ka ho reraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa voafongotra mihitsy ny mandan’i Babela malalaka be; ary voadotra ny vavahadiny avo be. Ka dia zava-poana izany no isasaran’ny vahoaka, ho an’ny afo no hisasaran’ny firenena, ka lany hery foana amin’izany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampian’ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Rava tanteraka ny manda matevin’i Babilôna, ary voadoro ny vavahadiny avo; ka dia sahiram-poana ny vahoaka, zavatra ho kilan’ny afo no isasaran’ireo firenena.»
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin'ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin'ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an'ny afo ka ho reraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Ny manda matevina any Babilona dia horavana tanteraka hatramin’ny fanorenany ary hodorana amin’ny afo ny vavahadiny avo. Koa ho foana ny nisasaran’ny firenena ary ho nisasatra ho an’ny afo ny olona ka ho reraka.
malagasy