Jeremiah 51:59 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny teny izay nandidian’i Jeremia mpaminany an’i Seraia, zanak’i Neria, zanak’i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ho any Babilona tamin’ny taona fahefatra nanjakany. Fa i Seraia no lehiben’ny fandraharahana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Didy nomen’i Jeremia mpaminany, an’i Saraiasa zanak’i Neriasa zanak’i Maasiasa fony izy nandeha nankany Babilôna, niaraka tamin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra nanjakany. Fa i Saraiasa no lehiben’ny tao an-dain’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Seraià, zanakalahin’i Nerià sady zafikelin’i Mahaseià, no lehiben’ny tobin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda. Koa ny taona fahefatra nanjakan’i Tsedekià dia nanaraka ny mpanjaka tany Babilôna izy. Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy ny loza rehetra izay hamely an’i Babilôna, dia ireo fanambarana rehetra momba izany! Dia nanome baiko an’i Seraià i Jeremià hoe:
Malagasy Bible 1865
Ny teny izay nandidian'i Jeremia mpaminany an'i Seraia, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona tamin'ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben'ny mpanorin-dasy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny teny izay nandidian’i Jeremia mpaminany an’i Seraia, zanak’i Neria, zanak’i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ho any Babilona tamin’ny taona fahefatra nanjakany. Fa i Seraia no lehiben’ny fandraharahana.
malagasy