Jeremiah 52:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nopotsiriny ny mason’i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan’i Babilona tamin’ny gadra varahina izy ka noentiny nankany Babilona ary nataony tao an-tranomaizina mandra-pahafatiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany nopotsiriny ny mason’i Sedesiasa, ka nafatony tamin’ny rojo varahina roa izy, ary nentin’ny mpanjakan’i Babilôna nankany Babilôna izy, sy notanany an-tranomaizina mandra-pahafatiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy teo dia nasain’i Nebokadnetsara nopotsirina ny mason’i Tsedekià; ary nasainy nafatotra gadra halimo sy nentina ho any Babilôna izy mba hatao an-tranomaizina ka nahibony tao ambara-pahafatiny.
Malagasy Bible 1865
Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nopotsiriny ny mason’i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan’i Babilona tamin’ny gadra varahina izy ka noentiny nankany Babilona ary nataony tao an-tranomaizina mandra-pahafatiny.
malagasy
Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.