Jeremiah 52:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahasivy amby folo nanjakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia tonga tany Jerosalema i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, mpanompon’ny mpanjakan’i Babilona,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny volana faha-5, andro faha-10n’ny volana, dia izay taona faha-19 nanjakan’i Nabokodonozora, no tonga tany Jerosalema i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina, izay mpandraharahan’ny mpanjakan’i Babilôna;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-19 nanjakàn’i Nebokadnetsara, nony andro fahafolon’ny volana fahadimy, dia tafiditra tao Jerosalema i Nebozaradàna, filohan’ny mpiambina sady manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon 'ny mpanjakan'i Babylona,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahasivy amby folo nanjakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia tonga tany Jerosalema i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, mpanompon’ny mpanjakan’i Babilona,
malagasy
Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona,[Heb. izay nitsangana teo anatrehan']