Jeremiah 52:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny sasany tamin’ny olona mahantra mbamin’ny olona sisa tao an-tanàna sy izay nandositra nanatona ny mpanjakan’i Babilona mbamin’ny vahoaka marobe sisa dia noentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentin’i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina, ho babo ny sasany tamin’ny olo-mahantra indrindra, mbamin’ny olona sisa tafajanona tao an-tanàna, sy ireo efa nitsoaka nanatona ny mpanjakan’i Babilôna, ary ny mpanao taozavatra sisa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nentin’i Nebozaradàna ho babo ireo mponina sisa tao an-tanàna, dia ireo fianakaviana mahantra vitsivitsy sy ireo olona nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ary ny sisa tamin’ireo mpahay taozavatra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny sasany tamin'ny olona malahelo mbamin'ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona mbamin'ny vahoaka maro be sisa dia nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny sasany tamin’ny olona mahantra mbamin’ny olona sisa tao an-tanàna sy izay nandositra nanatona ny mpanjakan’i Babilona mbamin’ny vahoaka marobe sisa dia noentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo avokoa.
malagasy