Jeremiah 52:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ireo andry varahina teo amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny fitoerana koveta be sy ny koveta be varahina, izay teo amin’ny tranon’NY TOMPO, dia novakivakin’ny Kaldeana ka noentiny ho any Babilona ny varahina rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Novakivakin’ny Kaldeanina ny andry varahina amin’ny tranon’i Iaveh, mbamin’ny ranomasina varahina sy ny fanambaniny izay tao an-tranon’i Iaveh, dia nentiny nankany Babilôna ny varahina tamin’ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nopotehin’ny Babilônianina ireo andry halimo tao an-tranon’ny TOMPO mbamin’ireo kalesy ary ilay fitobian-drano halimo goavana teo an-kianja; dia nentiny nankany Babilôna avokoa ny halimo.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo andry varahina teo amin'ny tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe, izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia novakivakin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ireo andry varahina teo amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny fitoerana koveta be sy ny koveta be varahina, izay teo amin’ny tranon’NY TOMPO, dia novakivakin’ny Kaldeana ka noentiny ho any Babilona ny varahina rehetra.
malagasy
Ary ireo andry varahina teo amin'ny tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe, izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia novakivakin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.[Heb. ranomasina]