Jeremiah 52:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
lasany koa ny andry roa sy ny koveta lehibe iray ary ny omby varahina roa amby folo, izay teo ambanin’ny fitoeran’ny koveta lehibe, izay nataon’i Solomona mpanjaka ho an’ny tranon’NY TOMPO; ny varahina tamin’izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny amin’ny andry roa, ny ranomasina, mbamin’ireo omby varahina 12 nitaingenany sy ny fanambaniny, izay nampanaovin’i Salômôna mpanjaka, tao an-tranon’i Iaveh, dia tsy nisy tokony handanjana ny varahina tamin’ireo fanaka rehetra ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hita lanja ny halimo tamin’ireo fanaka rehetra izay namboarin’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO: dia ireo andry anankiroa sy ilay fitobian-drano goavana miaraka amin’ireo ombilahy halimo 12 mitondra azy, ary ireo kalesy.
Malagasy Bible 1865
ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray atỳ ny omby varahina roa ambin'ny folo, Izay teo ambanin'ny fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona mpanjaka ho an'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
lasany koa ny andry roa sy ny koveta lehibe iray ary ny omby varahina roa amby folo, izay teo ambanin’ny fitoeran’ny koveta lehibe, izay nataon’i Solomona mpanjaka ho an’ny tranon’NY TOMPO; ny varahina tamin’izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
malagasy