Jeremiah 52:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny andry, dia valo amby folo hakiho no haavony, ary roa amby folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny amin’ny andry, dia 18 hakiho no haavon’ny andry iray, ary kofehy 12 hakiho no nandrefy azy manodidina, ary voatondro efatra ny hateviny, ary poaka aty izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny andry tsirairay dia sivy metatra ny haavony ary enina metatra ny manodidina. Poakaty izy nefa misy valo santimetatra ny hatevin’ny metaly.
Malagasy Bible 1865
Fa ny andry, dia valo ambin'ny folo hakiho no hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny andry, dia valo amby folo hakiho no haavony, ary roa amby folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
malagasy
Fa ny andry, dia valo ambin'ny folo hakiho no hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.