Jeremiah 52:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy lohany varahina teo aminy; dimy hakiho no haavon’ny lohany iray ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny lohany, samy varahina avokoa izany. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mbola tahaka izany ihany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy loha andry varahina ny tampony; dimy hakiho no haavon’ny loha andry iray; nisy harato sy ampongabendanitra ny manodidina ny loha andry, ary varahina avokoa izany. Torak’izany koa ny andry faharoa, mbamin’ny ampongabendanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Misy lohany halimo tsirairay avy ny andry ka mahatratra roa metatra sy sasany ny haavony sady voaravaka harato sy ampongabendanitra halimo ny manodidina azy. Mitovy ireo andry roa sy ny ravaka natao taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy kapitaly varahina teo aminy; dimy hakiho no hahavon'ny kapitaly anankiray, ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny kapitaly, samy varahina avokoa izy. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mba tahaka izany ihany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy lohany varahina teo aminy; dimy hakiho no haavon’ny lohany iray ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny lohany, samy varahina avokoa izany. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mbola tahaka izany ihany koa.
malagasy