Jeremiah 52:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa iray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin’ireo mpitoetra eo anatrehan’ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna; nosamboriny koa ny mpitantsoratry ny lehiben’ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enimpolo lahy izay hita teo an-tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tao an-tanàna koa, nangalany manamboninahitra anankiray, mpifehy ny olo-mpiady, olona fito lahy, anisan’ny mpanolo-tsaina manokan’ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ny mpanoratry ny komandin’ny miaramila, miadidy ny fanoratana ny olona amin’ny tany ho miaramila, ary ankapobem-bahoaka amin’ny tany 60 lahy izay hita tao an-tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nosamboriny koa ny mpiasam-panjakana iray mpiandraikitra ny miaramila sy ny olona fito lahy mpanolotsainan’ny mpanjaka, sy ny mpitantsoratr’ilay manamboninahitra misahana ny fiantsoana ho miaramila, ary ny teratany jodeanina miisa enimpolo lahy; fa samy hitany tao Jerosalema avokoa ireo.
Malagasy Bible 1865
ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin'izay mpitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy izay hita teo an-tanàna,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa iray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin’ireo mpitoetra eo anatrehan’ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna; nosamboriny koa ny mpitantsoratry ny lehiben’ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enimpolo lahy izay hita teo an-tanàna.
malagasy