Jeremiah 52:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tamin’ny taona fahatelo amby roapolo nanjakan’i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efapolo sy fitonjato no noentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin’izy rehetra dia eninjato sy efatra arivo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
lehilahy avy amin’i Jodà 745, nentin’i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina, ho babo, tamin’ny taona faha-23 nanjakan’i Nabokodonozora. 4.600 no tontalin’izy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-23 nanjakany, dia mbola nitondra Jodeanina 745 ho babo ihany i Nebozaradàna filohan’ny mpiambina. Koa ny tontalin’izy rehetra dia 6 400.
Malagasy Bible 1865
tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efa-polo amby fiton-jato no nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin'izy rehetra dia enin-jato amby efatra arivo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tamin’ny taona fahatelo amby roapolo nanjakan’i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efapolo sy fitonjato no noentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin’izy rehetra dia eninjato sy efatra arivo.
malagasy