Jeremiah 52:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa novan’i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-tranomaizina; ary nihinan-kanina teo anatrehan’ny mpanjaka mandrakariva izy tamin’ny andro niainany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nasainy novana ny fitafiany tao an-tranomaizina; ary tsy tapaka nihinana teo anatrehany i Joasina, tamin’ny andro rehetra niainany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy navela hanao ny fitafian’ny mpigadra intsony i Jôiakina; ary niara-nisakafo isan’andro tamin’ny mpanjakan’i Babilôna izy nandritra ny andro sisa rehetra niainany.
Malagasy Bible 1865
Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa novan’i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-tranomaizina; ary nihinan-kanina teo anatrehan’ny mpanjaka mandrakariva izy tamin’ny andro niainany rehetra.
malagasy
Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.[Na: ny sisim-bolombavany]