Jeremiah 52:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia dia tonga i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema; nitoby tandrifiny izy sady nanao tovon-tany manodidina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-9 nanjakan’i Sedesiasa, tamin’ny volana faha-9, tamin’ny andro fahafolon’ny volana, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mbamin’ny tafiny rehetra; ka nitoby tamin’ny tandrifiny sy nanao manda fanakekezana manodidina azy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tonga tao Jerosalema niaraka tamin’ny tafiny manontolo i Nebokadnetsara. Nitoby manoloana ny tanàna ireo miaramilany, ary nanao tovon-tany manodidina an’i Jerosalema. Taona fahasivy nanjakan’i Tsedekià tamin’izay, ary andro fahafolon’ny volana fahafolo.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an'i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia dia tonga i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema; nitoby tandrifiny izy sady nanao tovon-tany manodidina azy.
malagasy