Jeremiah 52:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin’ny lalana mankany amin’ny vavahady teo anelanelan’ny manda roa, izay eo anilan’ny sahan’ny mpanjaka, fa ny Kaldeana mantsy dia nanodidina ny tanàna. Nandeha tamin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nobangaina ny tanàna, ka vaky nandositra avokoa ny lehilahy mpiady; alina no nivoahany tao an-tanàna, tamin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, akaikin’ny sahan’ny mpanjaka; raha ilay voahodidin’ny Kaldeanina iny ny tanàna, dia nihazo ny lalan’ny tany lemaka izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ny miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ihany ireo, ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny sahan’ny mpanjaka, ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ka nandeha tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin’ny lalana mankany amin’ny vavahady teo anelanelan’ny manda roa, izay eo anilan’ny sahan’ny mpanjaka, fa ny Kaldeana mantsy dia nanodidina ny tanàna. Nandeha tamin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana izy ireo.
malagasy
Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ka nandeha tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay.[Heb. Arabà]