Jeremiah 52:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanenjika ny mpanjaka ny miaramilan’ny Kaldeana ka nahatratra an’i Zedekia teny amin’ny tany ngazana any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nenjehin’ny miaramila Kaldeanina anefa ny mpanjaka; ka trany teo amin’ny tany lemak’i Jerikô i Sedesiasa; dia niparitaka lavitra azy ny miaramilany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo nenjehin’ny miaramila babilônianina i Tsedekià mpanjaka ary tratrany teo amin’ny lemak’i Jerikao; dia nihahaka nandao an’i Tsedekià ny tafiny manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanenjika ny mpanjaka ny miaramilan’ny Kaldeana ka nahatratra an’i Zedekia teny amin’ny tany ngazana any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
malagasy
Ary ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.