Jeremiah 6:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandosira haingana hiala an’i Jerosalema, ianareo zanak’i Benjamina! Tsofy ao Tekoa ny anjomara ka manangàna famantarana ao Bety-Hakerema; fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandosira, ry taranak’i Benjamina, hiala ao afovoan’i Jerosalema. Mitsofa anjomara any Tekoà, ary manangàna famantarana any Betakarema! Fa misy loza tamy avy any avaratra ary fandringanana lehibe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mandosira faingana hiala ao Jerosalema, ianareo Benjaminita, mba hitady fialofana any an-kafa. Tsofy ao Tekôa ny anjomara, manaova tsangan’afo ao Bety-Kerèma, satria misy loza sy fandringanana goavana mipoitra avy any avaratra.
Malagasy Bible 1865
Hianareo, zanak'i Benjamina, mandosira faingana hiala an'i Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan'afo ao Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandosira haingana hiala an’i Jerosalema, ianareo zanak’i Benjamina! Tsofy ao Tekoa ny anjomara ka manangàna famantarana ao Bety-Hakerema; fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.
malagasy
[Ny fahantomotry ny loza voalaza] Hianareo, zanak'i Benjamina, mandosira faingana hiala an'i Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan'afo ao Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.[Na: manangàna famantarana]