Jeremiah 6:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho lasan’ny sasany ny tranony mbamin’ny sahany sy ny vehivavy koa; fa hatsotrako amin’ny mponina amin’ny tany ny tanako, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tranony ho lasan’ny hafa; ny sahany mbamin’ny vadiny torak’izany koa. Fa haninji-tanana amin’ny mponina amin’ny tany Aho, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho lasan’olon-kafa ny tranony sy ny sahany ary ny vadiny, satria hahinjitro ny tanako hamely ny mponina amin’ny tany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ho lasan'ny sasany ny tranony mbamin'ny sahany sy ny vehivavy koa; Fa hahinjitro amin'ny mponina amin'ny tany ny tanako, hoy Jehovah,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho lasan’ny sasany ny tranony mbamin’ny sahany sy ny vehivavy koa; fa hatsotrako amin’ny mponina amin’ny tany ny tanako, hoy NY TOMPO.
malagasy
Ary ho lasan'ny sasany ny tranony mbamin'ny sahany sy ny vehivavy koa; Fa hahinjitro amin'ny mponina amin'ny tany ny tanako, hoy Jehovah,