Jeremiah 6:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Mijanòna eo an-dalana ianareo ka zahao ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela: Aiza izay lalana mankany amin’ny tsara? Iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo; nefa hoy izy ireo: Tsy hizotra amin’iny izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Mitoera eny amin’ny lalana ianareo, ka mijere; anontanio izay lalana faleha taloha, izay lalan’ny famonjena ka iny aleha, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.» Kanjo izao no navalin’izy ireo: «Tsy handeha amin’izany izahay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: Mijanòna eny an-dalana ianareo ka mandiniha; ary anontanio ny sakeli-dalana fahiny. Tadiavo ny lalana ho amin’ny fahasambarana; araho izany, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo! Kanefa hoy izy hoe: «Tsy hanaraka izahay!»
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao, ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela. Dia izay lalana mankany amin'ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Mijanòna eo an-dalana ianareo ka zahao ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela: Aiza izay lalana mankany amin’ny tsara? Iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo; nefa hoy izy ireo: Tsy hizotra amin’iny izahay.
malagasy