Jeremiah 6:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hasiako fahatafintohinana eo amin’ity firenena ity ka samy ho tafintohina amin’izany ny ray mbamin’ny zanany; ho faty ny mpiaramonina mbamin’ny namany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’i Iaveh: «Indro Aho hanisy vato fanafintohinana amin’ity vahoaka ity, ka samy ho tafintohina eo ny ray sy ny zanany; hiara-maty eo ny mponina sy ny manakaiky azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no lazain’ny TOMPO: Hasiako zava-mahasolafaka eo anoloan’ity firenena ity; ka samy ho solafaka sy ho faty eo na ny raiamandreny na ny zanany na ny namany sy ny mpiara-monina aminy.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro hasiako fahatafintohinana eo amin'ity firenena ity, ka dia samy ho tafintohina amin'izany ny ray mbamin'ny zanany; Ho faty ny olona mbamin'ny namany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hasiako fahatafintohinana eo amin’ity firenena ity ka samy ho tafintohina amin’izany ny ray mbamin’ny zanany; ho faty ny mpiaramonina mbamin’ny namany.
malagasy
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro hasiako fahatafintohinana eo amin'ity firenena ity, ka dia samy ho tafintohina amin'izany ny ray mbamin'ny zanany; Ho faty ny olona mbamin'ny namany.