Jeremiah 6:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsipìka sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina ary mitaingin-tsoavaly izy sady voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izy ireo dia mahay mandefa zana-tsipîka aman-defona; olona masiaka tsy manana indrafo; mirohondrohona hoatra ny ranomasina ny feony; mitaingin-tsoavaly izy, vonon-kiady, toa olona iray monja, hamely anao, ry zanaka vavin’i Siôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mampirangaranga tsipîka sy lefona ireo miaramilany lozabe sady tsy mamindra fo. Mirohondrohona toy ny ranomasina ny feony. Mitaingin-tsoavaly izy ary milahatra toy ny andian-tafika hiady mba hamely anao, ry Tsiôna.
Malagasy Bible 1865
Tsipika sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsipìka sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina ary mitaingin-tsoavaly izy sady voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ny ady, hamelezana anao, ry Ziona* zanakavavy.
malagasy
Tsipika sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.