Jeremiah 6:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao ary mihosena lavenona ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zanaka vavin’ny vahoakako, misikìna lamba malailay; mihosena amin’ny lavenona; manaova fisaonana, toy ny fisaonana zanaka lahy tokana; midradradradrà mafy fa tonga tampoka amintsika ny mpandringana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry vahoakako, misikìna lamba fisaonana ka mihosena amin’ny vovoka; ataovy ny fombafomba rehetra fanao amin’ny fisaonana zanaka lahitokana, ka mitomania fatratra ianareo fa ho avy tampoka ny fahavalo mpandringana.
Malagasy Bible 1865
Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao ary mihosena lavenona ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.
malagasy