Jeremiah 6:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miomàna ianareo hanao ady masina hamelezana azy; mitsangàna ka andeha isika hamely azy antoandrobenanahary. Lozantsika! Fa lasan-davitra ny andro, ary efa mandroso ny aloky ny hariva.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Atombohy ny ady hamelezana azy; mitsangàna, andeha isika hananika azy amin’izao antoandro be izao! Loza ho antsika fa efa mirerarefa ny andro, efa mandroso ny aloky ny hariva.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miantsoantso ireo hoe: «Ndao hotafihina izy! Mitsangàna isika mba haka azy an-keriny amin’ny mitataovovona! Indrisy, efa mihilana ny andro ary efa mandroso aloka ny hariva!
Malagasy Bible 1865
Mitaova ianareo hanao ady masina hamelezana azy; Mitsangàna, ka andeha isika hiakatra antoandro. Lozantsika! fa lasan-davitra ny andro, ka efa mandroso ny aloky ny hariva.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miomàna ianareo hanao ady masina hamelezana azy; mitsangàna ka andeha isika hamely azy antoandrobenanahary. Lozantsika! Fa lasan-davitra ny andro, ary efa mandroso ny aloky ny hariva.
malagasy
Mitaova ianareo hanao ady masina hamelezana azy; Mitsangàna, ka andeha isika hiakatra antoandro. Lozantsika! fa lasan-davitra ny andro, ka efa mandroso ny aloky ny hariva.