Jeremiah 6:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hotsimponina tsirairay toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ny Israely; avereno ho amin’ny rantsany indray ny tananao, toy ny an’ny mpioty voaloboka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Hotsimponina hoatra ny fitsimpona voaloboka, izay sisa amin’i Israely. Averimbereno eo ny tananao, toy ny ataon’ny mpioty amin’ny rantsam-boaloboka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Tangosy hatramin’ny farany toy ny fitango voaloboka ireo olona sisa amin’i Israely; averimbereno eny amin’ny rantsany madinika toy ny an’ny mpioty voaloboka ny tananao!»
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin'ny Isiraely; Avereno ho amin'ny sakeliny ny tananao toy ny mpioty voaloboka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hotsimponina tsirairay toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ny Israely; avereno ho amin’ny rantsany indray ny tananao, toy ny an’ny mpioty voaloboka.
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin'ny Isiraely; Avereno ho amin'ny sakeliny ny tananao toy ny mpioty voaloboka.[Na: harona]