Jeremiah 7:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa mbola avy miseho eto anatrehako amin’ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka miteny hoe: Efa voavonjy izahay ka izany no nanaovanay ireo fahavetavetana rehetra ireo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia tonga, dia miseho eto anatrehako indray, eto amin’ity trano iantsoana ny Anarako ity, ka manao hoe: ‹Ho afaka isika!› Ary ny mba hanao izany fahavetavetana rehetra izany no anton’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa ianareo mbola miseho eo anatrehako eto amin’ity trano izay natokana ho Ahy ity ihany ka manao hoe: ‹Voavonjy izahay›; ary avy eo dia tohizinareo indray ireo asa rehetra maharikoriko ireo.
Malagasy Bible 1865
Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin'ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa mbola avy miseho eto anatrehako amin’ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka miteny hoe: Efa voavonjy izahay ka izany no nanaovanay ireo fahavetavetana rehetra ireo!
malagasy
Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin'ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!