Jeremiah 7:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, hoy NY TOMPO, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny taminareo nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho nefa tsy novalinareo,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny rehefa nanatanteraka izany rehetra izany ianareo, - teny marin’i Iaveh, - ary rehefa niteny taminareo Aho, fa niteny taminareo hatry ny vao maraina Aho, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny dia manao ireny zava-dratsy rehetra fanaony ireny koa ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Efa nambarako sy naverimberiko taminareo izany nefa tsy nohenoinareo; efa nantsoiko ianareo nefa tsy namaly.
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, hoy NY TOMPO, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny taminareo nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho nefa tsy novalinareo,
malagasy