Jeremiah 7:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manangona kitay ny ankizy, mandrehitra afo ny rainy, ary mametafeta ny koba hatao mofo ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra ny vehivavy. Manolotra fanatitra aidina ho an’ny andriamanitra hafa izy ireo mba hampahasosotra Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zanaka manangon-kitay; ny ray mandrehitra afo; ny vehivavy mametafeta koba, hanaovana mofo ho an’ny mpanjaka vavin’ny lanitra, sy hanidina fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa, mba haniratsirana Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ankizy mifako kitay, ny rainy mandrehitra afo, ny vehivavy kosa mametafeta koba hatao mofo hatolotra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra; manao izay mahasosotra Ahy ireo fa manolotra fanatitra divay ho an’ny andriamani-kafa.
Malagasy Bible 1865
Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho an'ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manangona kitay ny ankizy, mandrehitra afo ny rainy, ary mametafeta ny koba hatao mofo ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra ny vehivavy. Manolotra fanatitra aidina ho an’ny andriamanitra hafa izy ireo mba hampahasosotra Ahy.
malagasy