Jeremiah 7:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mijoroa eo am-bavahadin’ny tranon’NY TOMPO, ary torio eo izao teny izao ka lazao hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo, ry Joda rehetra izay miditra amin’ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitsangàna eo am-bavahadin’ny tranon’i Iaveh, ka eo no torio izao teny izao, ataovy hoe: «Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo rehetra lehilahy amin’i Jodà, izay miditra amin’ireto vavahady ireto, hivavaka amin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
hitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’ny TOMPO sy hiantsoantso izao hafatra izao: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo olon’i Joda rehetra izay miditra amin’ity vavahady ity mba hivavaka amin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Mitsangana eo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin'ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mijoroa eo am-bavahadin’ny tranon’NY TOMPO, ary torio eo izao teny izao ka lazao hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo, ry Joda rehetra izay miditra amin’ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy