Jeremiah 7:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ho oloko ianareo ka handeha amin’ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny amin’ny didy nomeko azy ireo, dia izao no nolazaiko taminy: Mihainoa ny feoko; ary Izaho no Andriamanitrareo, ary ianareo no vahoakako; mizora amin’ny lalana rehetra handidiako anareo, mba ho sambatra ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy izay lazaiko, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho vahoakako. Araho ny lalàna izay nandidiako anareo, dia hahita soa ianareo.
Malagasy Bible 1865
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ho oloko ianareo ka handeha amin’ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
malagasy
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.