Jeremiah 7:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fisaonana any an-tendrombohitra mangadihady satria lavin’NY TOMPO sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Harato ny volonao, dia ario; ka miventesa hira fisaonana eny amin’ny havoana, satria nakifik’i Iaveh sy nolaviny, ny taranaka mahatezitra azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO hoe: «Ry vahoakan’i Joda, hetezo ka ario ny volonao lava izay marika fa voatokana ho Ahy ianao. Manaova hira fisaonana eny amin’ny havoana mangadihady; fa hariako sady ho laviko ianao, satria taranaka mahatezitra Ahy.»
Malagasy Bible 1865
Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra mangadihady, satria lavin'i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fisaonana any an-tendrombohitra mangadihady satria lavin’NY TOMPO sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
malagasy
Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra mangadihady, satria lavin'i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.