Jeremiah 7:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izy dia nanorina ireo toerana fanaovana sorona any Tofeta izay ao amin’ny Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy amin’ny afo; nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nanorina ireo fitoerana avo any Tôfeta, amin’ny lohasahan’ny zanak’i Hinôma, handoroany amin’ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy; nefa zavatra tsy mba nodidiako izany, na mba noheverin’ny saiko akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanorina toeram-panasinana atao hoe Tôfeta tao amin’ny lohasahan’i Hinôma izy mba handoroany ho sorona ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany, sady tsy mba tonga tao am-poko velively.
Malagasy Bible 1865
Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin'ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izy dia nanorina ireo toerana fanaovana sorona any Tofeta izay ao amin’ny Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy amin’ny afo; nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
malagasy