Jeremiah 7:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hiantsoana azy intsony hoe Tofeta na Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa Lohasahan’ny famonoana olona kosa; ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, indro tamy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - izay tsy hanaovana hoe Tofeta na lohasahan’ny zanak’i Hinôma intsony, fa hoe «Lohasaha famonoana» kosa, ary any Tofeta aza no handevenana, noho ny hateren’ny tany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, indro avy ny andro izay tsy hilazana intsony hoe «Tôfeta» na «Lohasahan’i Hinôma» fa «Lohasaha Famonoana». Ao no handevenana ireo maty fa tsy misy toerana intsony any an-kafa.
Malagasy Bible 1865
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hiantsoana azy intsony hoe Tofeta na Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa Lohasahan’ny famonoana olona kosa; ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren’ny tany.
malagasy