Jeremiah 8:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitafy henatra izy noho ny nanaovany fahavetavetana; nefa tsy mba nahatsiaro menatra akory izy ary tsy mba tsapany ny hadisoany. Koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy, amin’ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Homenàrina izy, fa nanao fahavetavetana, nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo; ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy», hoy i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia ho isan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, dia hitrosina amin’ny tany izy.
Malagasy Bible 1865
Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy, ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, ho Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitafy henatra izy noho ny nanaovany fahavetavetana; nefa tsy mba nahatsiaro menatra akory izy ary tsy mba tsapany ny hadisoany. Koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy, amin’ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, hoy NY TOMPO.
malagasy