Jeremiah 8:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda ka ho faty ao; fa efa nanendry antsika ho faty NY TOMPO Andriamanitsika ka nanome rano misy poizina hosotrointsika noho ny nanotantsika tamin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahoana isika no mitomoe-poana? Mivoria ianareo, andeha isika ho ao an-tanàna mimanda, dia aoka ho faty ao; satria i Iaveh Andriamanitsika mandevona antsika, sy mampisotro antsika rano misy poizina, noho ny nanotantsika tamin’i Iaveh!...
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahoana no mijanona eto isika? Andeha hifamory isika ka hiditra ao amin’ny tanànamimanda ary dia miandry ny ho faty ao, satria ny TOMPO Andriamanitsika no manendry antsika ho faty ka mampisotro antsika rano voapoizina, noho isika efa nanota taminy:
Malagasy Bible 1865
Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda, ka dia ho faty ao; fa Jehovah Andriamanitra efa nanendry antsika ho faty ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda ka ho faty ao; fa efa nanendry antsika ho faty NY TOMPO Andriamanitsika ka nanome rano misy poizina hosotrointsika noho ny nanotantsika tamin’NY TOMPO.
malagasy