Jeremiah 8:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Injany! Misy feo fitarainan’ny oloko zanakavavy avy any amin’ny tany lavitra hoe: Moa tsy ao Ziona intsony va NY TOMPO? Ary tsy ao aminy intsony va ny mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy tamin’ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin’ny zava-poana avy amin’ny firenena hafa ireny?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Injany tonga amiko avy any an-tany lavitra, ny fitarainan’ny zanaka vavin’ny oloko manao hoe: Tsy ao Siôna intsony va i Iaveh? Tsy ao afovoany intsony va ny mpanjakany? Nahoana izy ireo no nampahatezitra ahy tamin’ny sampiny, sy tamin’ny zava-poana avy any amin’ny firenen-kafa?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Injany! Re hatrany amin’ny faritra lavitra any ny antso vonjy ataon’ny vahoakako hoe: «Tsy ao Tsiôna intsony ve ny TOMPO, ary tsy ao aminy intsony ve ny mpanjakany?» Nahoana moa izy no nahatezitra Ahy tamin’ireo sarivongan-tsampiny, dia ireo zava-poana avy any an-kafa?
Malagasy Bible 1865
Injany! misy feo fitarainan'ny oloko zanakavavy hatrany amin'ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah tsy ao Ziona va? Ary tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy ireny tamin'ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin'ny zava-poana avy amin'ny firenena hafa?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Injany! Misy feo fitarainan’ny oloko zanakavavy avy any amin’ny tany lavitra hoe: Moa tsy ao Ziona* intsony va NY TOMPO? Ary tsy ao aminy intsony va ny mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy tamin’ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin’ny zava-poana avy amin’ny firenena hafa ireny?
malagasy
Injany! misy feo fitarainan'ny oloko zanakavavy hatrany amin'ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah tsy ao Ziona va? Ary tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy ireny tamin'ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin'ny zava-poana avy amin'ny firenena hafa?