Jeremiah 8:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka haeliny eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin’ny lanitra izay tiany sy notompoiny, izay narahiny sy notadiaviny ary niankohofany teo anatrehany. Tsy hangonina na halevina intsony ireny fa hatao zezika eny ambonin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hahahy eo anatrehan’ny masoandro amam-bolana, mbamin’ny tafiky ny lanitra rehetra, izay efa tiany, notompoiny, narahiny, nilany hevitra ary niankohofany teo anatrehany; ka tsy hangonina na halevina ireo taolana ireo, fa hanjary zezika eo ambonin’ny tany. Ary ny ho faty fa tsy ho velona, no ho aleon’
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka avela hiparitaka eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary ny andian-kintana eny amin’ny lanitra izay notiavin’ireny olona ireny ka nivavahany sy niraiketany, ary nanontaniany hilan-kevitra sy niankohofany. Tsy hangonina na halevina intsony ireo taolana ireo fa ho tonga zezika eny ambonin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
ka haeliny eo anatrehan'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin'ny lanitra, izay efa tiany sy notompoiny sy efa narahiny sy efa notadiaviny ary efa niankohofany teo anatrehany: tsy hangonina na halevina intsony ireny, fa hatao zezika eny ambonin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka haeliny eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin’ny lanitra izay tiany sy notompoiny, izay narahiny sy notadiaviny ary niankohofany teo anatrehany. Tsy hangonina na halevina intsony ireny fa hatao zezika eny ambonin’ny tany.
malagasy